Schedule a Visit
Nulla vehicula fermentum nulla, a lobortis nisl vestibulum vel. Phasellus eget velit at.
Call us:
1-800-123-4567
Send an email:
monica.wayne@example.com
Nulla vehicula fermentum nulla, a lobortis nisl vestibulum vel. Phasellus eget velit at.
Call us:
1-800-123-4567
Send an email:
monica.wayne@example.com
Ho fanampiana anao amin’ny fanatanterahana ny tetikasam-pikarohanao, QUANTA MEDICAL dia manana ekipa maromaro afaka manatontosa, miaraka aminao, ireo fanafody andrana, na fanatsarana ny hoditra na ny fitaovam-pitsaboana.
Ny fotoana sy ny fitadiavana ireo olona hanao ny andrana dia mahomby, amin’ny lafin’ny tolotra sy tinady, ao Georgia noho ny hamaroan’ny tambajotra matihanina na dokotera sy mpandidy nianatra tany Eoropa sy Etazonia, mba ho fampandrindrana ny fikarohana ara-pahasalamana ilàna fandraisan-tanana ifotony na tsia.
Ny Departemantan’ny IT, teknika sy mpanavao, dia mamolavola rindrambaiko, azo antoka sy azo ekena amin’ny CRF elektronika & CTMS araka ny fomba fiasa GAMP5 mba hifanaraka amin’ny fizarana 21 CFR 11, ny RGPD sy ny fitsipika rehetra. Nanomboka tamin’ny fiandohany 1.000 ny taona 1998 ka hatramin’ny fiovana farany 5.100 ny taona 2019 … revolisionan’ireo sokajin-drindram-baiko !
Ny kalitao, izay hananana ny fanamarihana ISO, no «singa mandrindra” an’ny QM sy ny sikajy zenetikany. Ny fanajana paikady io no mitarika ny fandinihana, mamolavola ny raharaham-barotra ary manara-maso ny fitantanana ny tetikasa.
Ny fanamarinana amin’ny antsipirihany anatiny dia vao maika mivelatra kokoa nohon’ny fisian’ireo manam-pahaizana (paikady, mpikambana fahiny tao amin’ny HAS, manam-pahaizana momba ny fitsaboana) mba handanjalanjana ny fomba fitantanana stratejin’ireo tetikasa voatolotra aminay. Io tambajotra io dia mampivelatra be be kokoa ny fahalalanan’ireo mpiara-miombon’antoka ny manampahefana misahana ny Fitantanana, ny fihainoana tsaratsara kokoa izay mampihena ny fe-potoana fandrindrana ny asa.
QDATA dia rantsanan’ny QUANTA MEDICAL ara-teknikana sy fampandrosoana ny fampiharana IT, miara-miasa aminay nanomboka ny taona 1994, izay natokana ho an’ny fahasalamana sy ny tambajotra ara-pahasalamana.
Ny ekipa malagasy dia efa samy manana traikefa, azo itokisana ary avy amin’ny sekoly fianarana tsara indrindra eto Madagasikara. Mahay miteny frantsay sy anglisy ny injenieran’ny IT, ny statistika ary ny talen’ny data.