FAMPIVOARANA VOAFEHY SY VOAARO
Miankina tanteraka amin’ny paika arahina ny ekipa, noho ny amin’ny tanjaky ny rafitra fiantohana kalitao sy ny fampiharana ny fenitra ISO 9001 sy 27001, izay mamaritra:
- Ny fampitovizana ny hailamina ara-kajimirindra amin’ny alalan’ny famolavolana fitsipi-panoratana iraisana : fanomezana anarana, fomba fiasa, fanatontoloana…
- Ireo fitsipika ahafahana miantoka ny fikojakojana amin’ny alalan’ny fiezahana tsy tapaka manovo hevitra (faneho, toromarika teknika), sy ny hanamoràna ny famakiana
- Ny fomba fandraisana an-tànana ny resaka fiarovana rehefa manoratra ny faneho : fanamarinana, tsy fandavana, tsiambaratelo, fahamarinana, fiarovana amin’ny fanovana tsy nahazoana alàlana, fanaraha-maso ny fiovana (audit trail…) …
- Ny fomba fandrindrana ny faneho : tontolon’ny (DEV, PREPROD, PROD), fisokajiana, fametahana anarana, fitantanana GIT
- Ny fitantanana ny angon-drakitra fanaovana andrana sy ny fizotry ny tsy fitononana anarana
- Ny fomba fandraisana an-tànana ny tady sy ny fanaraha-maso ny zavatra natao
Nahay nisafidy ny fomba fandaminana asa tsara indrindra tamin’ny tetikasa kajimirindra ny ekipanay sady nahafehy tsara ny fotoana nomena :
- Scrum Daily meeting : manampy mamantatra ny olana sy ny fomba hamahana azy. Ary koa manampy amin’ny fandrindrana tsaratsara kokoa ny zavatra atao.
- Les revues d’itérations : manampy ny ekipa hamantatra haingana ny elanelana sy ny mpiandraikitra ireo mpisera hamaritra ny filàny mba hiantohana ny filàna arak’ asa araka ny tokony ho izy
- Sprint Agile :Ampiasaina amin’ny resaka fikojakojana amin’ny ankapobeany, miaraka amin’ny fikajiana miverimberina ny antotam- tapakila izay ahitana ny dingan’ny fampivoarana sy ny dingana mifanesy momba ny fanoavana: ny orinasa mpamokatra, mpanandrana rafi-baiko, ary ny mpisera alohan’ny famokarana
- Rafi-pitsinjarana eo amin’ny asa/ vokatra : fanasarahana ny vokatra sy ny lahasa mba hanatsarana ny kalitaon’ny tombatombana.